Salamo
Ho an’ny mpitarika ny Nehilota. Hiran’i Davida.
3 Amin’ny maraina, dia handre ny feoko ianao, Jehovah ô!+
Eny, amin’ny maraina, dia hiresaka aminao aho ka hiandry izay ho valiny.+
4 Fa tsy mba Andriamanitra finaritra amin’ny faharatsiana ianao.+
Tsy misy olon-dratsy hiara-mitoetra aminao, na rahoviana na rahoviana.+
7 Noho ny haben’ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+
Dia hiditra ao an-tranonao aho,+
Ary hiankohoka manandrify ny tempolinao masina, noho ny fahatahorana anao.+
8 Jehovah ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho,+ fa manodidina ahy ny fahavaloko,+
Ampio aho mba tsy ho voasakantsakana ny fandehanako amin’ny lalanao.+
9 Fa tsy misy azo itokisana izay lazain’ny vavany,+
Ary fampahoriana no ao am-pony.*+
Fasana misokatra ny tendany,+
Ary fitaka no eo amin’ny lelany.+
10 Homelohin’Andriamanitra tokoa izy ireo,+
Ary ny tetika nataony ihany no hahavoa azy.+
Aoka hiparitaka izy ireo fa betsaka ny fandikan-dalàna nataony,+
Satria nikomy taminao izy.+