Isaia
35 Hifaly ny tany efitra sy ny faritra karakaina,+ ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady hamony toy ny voninkazo safrona.+ 2 Eny, hamony+ tokoa izany, ary tena ho faly ka hiravoravo sy hihoby.+ Homena azy ny voninahitr’i Libanona,+ sy ny famirapiratan’i Karmela+ sy Sarôna.+ Ary hisy olona sasany hahita ny voninahitr’i Jehovah,+ dia ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.+
3 Hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika mangozohozo.+ 4 Lazao amin’ireo mitebiteby*+ hoe: “Mahereza.+ Aza matahotra+ fa ho avy hamaly izay natao taminareo ilay Andriamanitrareo,+ eny, hamaly Andriamanitra.+ Izy mihitsy no ho avy hamonjy anareo.”+
5 Amin’izany fotoana izany, dia hampahiratina ny mason’ny jamba,+ ary hatao mandre ny sofin’ny marenina.+ 6 Amin’izany fotoana izany koa dia hahavita hianika tendrombohitra toy ny serfa ny malemy tongotra,+ ary hihoby ny lelan’ny moana.+ Fa hisy rano hiboiboika any an-tany efitra, ary hisy renirano any amin’ny lemaka karakaina. 7 Hanjary ho toy ny kamory anirian’ny bararata ny tany ngazana, ary ho toy ny loharano ny tany karakaina.+ Hisy ahi-maitso sy bararata ary zozoro+ ny fonenan’ny alikadia,+ dia ny toerana fialany sasatra.
8 Ary hisy lalambe+ hantsoina hoe Lalan’ny Fahamasinana any.+ Tsy handalo eny ny olona tsy madio,+ fa ho an’izay mahazo mandeha eny ihany izy io, ka tsy hisy handehandeha eny ny olona adala. 9 Tsy hisy liona eny, ary tsy hankeny ny bibidia mpiremby.+ Tsy hisy ho hita eny ireny,+ fa izay navotana ihany no handeha eny.+ 10 Koa hiverina any Ziona amim-pihobiana+ ireo navotan’i Jehovah,+ ary hifaly mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.+ Ho feno hafaliana sy haravoana izy ireo, ary handositra azy ny alahelo sy ny fisentoana.+