Galatianina 3:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Inona àry no anton’ny Lalàna? Nomena koa izy io mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna,+ mandra-pahatongan’ilay taranaka+ izay nanaovana an’ilay fampanantenana. Ary nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely+ izy io, teo an-tanan’ny mpanelanelana iray.+ Galatianina 3:24 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 24 Koa nanjary mpitaiza antsika àry ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy,+ mba ho azo ambara ho marina+ isika noho ny finoana. Kolosianina 2:17 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 17 Fa aloky+ ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy+ dia an’i Kristy.+ Hebreo 9:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 sady hoy izy: “Ity no ran’ny fifanekena izay nandidian’Andriamanitra anareo.”+ Hebreo 10:1 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Koa satria aloky+ ny zavatra tsara ho avy ny Lalàna fa tsy ny tena izy, dia tsy ho vitan’ny olona mihitsy ny hahalavorary+ an’ireo manatona an’Andriamanitra, eny, tsy ho vitany amin’ny alalan’ny sorona tsy miova atolony isan-taona.
19 Inona àry no anton’ny Lalàna? Nomena koa izy io mba hampiharihariana ny fandikan-dalàna,+ mandra-pahatongan’ilay taranaka+ izay nanaovana an’ilay fampanantenana. Ary nampitaina tamin’ny alalan’ny anjely+ izy io, teo an-tanan’ny mpanelanelana iray.+
24 Koa nanjary mpitaiza antsika àry ny Lalàna ka nitarika antsika ho amin’i Kristy,+ mba ho azo ambara ho marina+ isika noho ny finoana.
10 Koa satria aloky+ ny zavatra tsara ho avy ny Lalàna fa tsy ny tena izy, dia tsy ho vitan’ny olona mihitsy ny hahalavorary+ an’ireo manatona an’Andriamanitra, eny, tsy ho vitany amin’ny alalan’ny sorona tsy miova atolony isan-taona.