FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 10:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 “Fa nahoana no tsy nohaninareo tao amin’ny toerana masina+ ilay fanatitra noho ny ota? Zavatra masina indrindra iny, ary nomeny anareo mba hitondranareo ny fahadisoan’ny vahoaka, handrakofana ny fahotany eo anatrehan’i Jehovah!+

  • Levitikosy 22:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 “‘Ary hanao ny adidiny amiko izy ireo, sao ho lasa fahotany ny tsy fanaovany izany, ka ho faty izy,+ satria nanazimbazimba zava-masina. Izaho no Jehovah izay manamasina azy ireo.

  • Nomery 18:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary hoy i Jehovah tamin’i Arona: “Ianao sy ny zanakao lahy ary ny fianakaviambe avy amin’ny rainao no hampamoahina noho izay fahadisoana atao amin’ny toerana masina,+ ary ianao sy ny zanakao lahy no hampamoahina noho izay fahadisoana atao amin’ny asa fisoronanareo.+

  • Isaia 53:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Noho ny fahoriany, dia hahita zava-tsoa izy+ ka ho afa-po.+ Ny fahalalana azon’ilay olo-marina mpanompoko+ no hanampiany olona maro ho tonga olo-marina.+ Ary hozakainy ny fahadisoan’izy ireo.+

  • 2 Korintianina 5:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ilay tsy nanota mihitsy+ no nataon’Andriamanitra ota+ hamonjy anay, mba ho lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra+ izahay, amin’ny alalany.

  • Hebreo 9:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 dia tahaka izany koa no nanolorana an’i Kristy indray mandeha monja+ mba hitondra ny fahotan’ny maro.+ Ary rehefa hiseho+ fanindroany+ izy, dia tsy hanaisotra fahotana,+ fa hiseho amin’ireo miandry azy fatratra ho famonjena an’ireo.+

  • 1 Petera 2:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Izy no nitondra ny fahotantsika+ tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo,+ mba ho afaka amin’ny ota isika+ ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika. “Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara