3 “‘Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana,+ dia tokony ho lahy tsy misy kilema.+ Eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana no hanolorany azy an-tsitrapo eo anatrehan’i Jehovah.+
5 “‘Avy eo, dia hovonoina eo anatrehan’i Jehovah ilay vantotr’ombilahy. Ary hatolotr’ireo mpisorona+ zanakalahin’i Arona ny ra, ka hafafiny eo amin’ireo lafin’ilay alitara+ izay eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana.