FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 15:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Tamin’io andro io no nanaovan’i Jehovah fifanekena tamin’i Abrama,+ nanao hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity,+ hatrany amin’ny reniranon’i Ejipta ka hatrany amin’ny reniranon’i Eofrata,+ ilay renirano lehibe.

  • Eksodosy 3:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Hidina aho hanafaka azy eo an-tanan’ny Ejipsianina,+ ka hitondra azy hiala amin’izany tany izany mba hiakatra ho any amin’ny tany soa sady malalaka, dia tany tondra-dronono sy tantely+ izay tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+

  • Eksodosy 33:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ary haniraka anjely eo alohanao aho,+ sady handroaka ny Kananita sy ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.+

  • Deoteronomia 7:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Rehefa hampiditra anao any amin’ilay tany izay halehanao sy halainao ho fanananao i Jehovah Andriamanitrao,+ dia horoahiny tsy ho eo anatrehanao+ ireto firenena be mponina ireto: Ny Hetita,+ ny Girgasita,+ ny Amorita,+ ny Kananita,+ ny Perizita,+ ny Hivita+ ary ny Jebosita,+ izany hoe firenena fito be mponina sady mahery noho ianao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara