Eksodosy 7:4 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 4 Ary tsy hihaino anareo i Farao,+ ka tsy maintsy hamely an’i Ejipta ny tanako. Hoentiko hivoaka avy ao amin’ny tany Ejipta ny tafiko,+ dia ny zanak’Israely+ oloko,+ ka hisy didim-pitsarana lehibe hampihariko.+ Eksodosy 12:41 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 41 Ary tamin’ilay andro nifaranan’ny telopolo sy efajato taona iny indrindra, no nivoaka avy tao Ejipta ny tafik’i Jehovah rehetra.+ Asan’ny Apostoly 7:35 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 35 Io ilay Mosesy nolavin’izy ireo sy nataony hoe: ‘Iza no nanendry an’ialahy ho mpitondra sy mpitsara anay?’,+ kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra+ ho mpitondra sady mpanafaka, tamin’ny alalan’ny tanan’ilay anjely niseho taminy tao amin’ny voaroy.
4 Ary tsy hihaino anareo i Farao,+ ka tsy maintsy hamely an’i Ejipta ny tanako. Hoentiko hivoaka avy ao amin’ny tany Ejipta ny tafiko,+ dia ny zanak’Israely+ oloko,+ ka hisy didim-pitsarana lehibe hampihariko.+
41 Ary tamin’ilay andro nifaranan’ny telopolo sy efajato taona iny indrindra, no nivoaka avy tao Ejipta ny tafik’i Jehovah rehetra.+
35 Io ilay Mosesy nolavin’izy ireo sy nataony hoe: ‘Iza no nanendry an’ialahy ho mpitondra sy mpitsara anay?’,+ kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra+ ho mpitondra sady mpanafaka, tamin’ny alalan’ny tanan’ilay anjely niseho taminy tao amin’ny voaroy.