FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 2:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Renay mantsy ny fomba nandritan’i Jehovah ny ranon’ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, rehefa nivoaka avy tany Ejipta ianareo.+ Renay koa ny nanaovanareo ny mpanjaka roan’ny Amorita teny ampitan’i Jordana, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo tanteraka.+

  • 1 Tantara 16:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Lazao amin’ireo firenena ny voninahiny,

      Ary amin’ny olona rehetra ny asany mahatalanjona.

  • Isaia 63:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Aiza Ilay nandefa ny sandriny+ tsara tarehy teo ankavanan’i Mosesy, eny, Ilay nanasaraka ny rano teo anoloan’izy ireo,+ mba hampahalaza ny anarany+ mandritra ny fotoana tsy voafetra?

  • Malakia 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Ho be voninahitra ny anarako eo amin’ireo firenena, hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.+ Ary any amin’ny toerana rehetra no hanolorana setroka ho sorona+ sy hanaovana fanatitra ho an’ny anarako, dia fanomezana madio,+ satria ho be voninahitra eo amin’ireo firenena ny anarako”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Romanina 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara