FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 14:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary ny anjelin’ilay tena Andriamanitra, izany hoe ilay anjely+ nandeha teo alohan’ny tobin’ny Israely, dia lasa nankany aoriana. Niala tany alohan’izy ireo koa ny andry rahona, ka nankany aoriana.+

  • Nomery 9:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Tamin’ilay andro nananganana ny tranolay,+ dia nanarona ny tranolay misy ny Tenin’ny Vavolombelona ny rahona.+ Fa zavatra toy ny afo+ kosa no teo ambonin’ny tranolay rehefa takariva, mandra-paharainan’ny andro.

  • Deoteronomia 1:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 izay nandeha teo alohanareo teny an-dalana, mba hitady toerana hitobianareo,+ ka afo no nitarihany anareo rehefa alina mba hahitanareo izay lalana tokony haleha, ary rahona kosa rehefa antoandro.+

  • Nehemia 9:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Andry rahona no nitarihanao azy nandritra ny andro,+ ary andry afo nandritra ny alina+ mba hanazavana+ ny lalan-kalehany.

  • Salamo 99:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Tao anatin’ny andry rahona no niresahany tamin’izy ireo.+

      Narahin’izy ireo ny fampahatsiahivana sy ny fitsipika nomeny azy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara