FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 21:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Dia tsy nitsahatra nanome tsiny an’Andriamanitra+ sy Mosesy+ ny vahoaka hoe: “Nahoana ianareo no nitondra anay niakatra avy tany Ejipta mba ho faty atỳ an-tany efitra?+ Fa tsy misy mofo na rano+ atỳ, ary efa maharikoriko anay itony mofo tsisy ilana azy itony.”+

  • Deoteronomia 8:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 ary nanome anao mana+ ho sakafo tany an-tany efitra—mana izay tsy fantatry ny razanao—mba hampanetry tena anao+ sy hitsapana anao ka hanasoavana anao any aoriana.+

  • Josoa 5:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa nitsahatra ny mana nanomboka tamin’ilay andro nihinanan’izy ireo ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ny zanak’Israely intsony.+ Dia nanomboka nihinana ny vokatry ny tany tao Kanana izy ireo, tamin’iny taona iny.+

  • Jaona 6:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Ny razantsika mantsy nihinana ny mana+ tany an-tany efitra, araka ny voasoratra hoe: ‘Mofo avy any an-danitra no nomeny hohanin’izy ireo.’”+

  • Jaona 6:58
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 58 Ity no mofo nidina avy any an-danitra. Tsy tahaka ny razanareo izay nihinana nefa maty ihany, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay.”+

  • 1 Korintianina 10:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 ary nihinana sakafo ara-panahy+ mitovy ihany izy rehetra,

  • Hebreo 9:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Tao no nisy ny fitaovana+ volamena fandoroana emboka manitra sy ny Vata misy ny fifanekena+ izay voapetaka takela-bolamena+ izy manontolo. Ary tao amin’io Vata io no nasiana ny siny volamena nisy ny mana,+ sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka,+ ary ny takela-baton’ny+ fifanekena.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara