FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 11:44
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 44 Fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo.+ Hamasino ny tenanareo, ary aoka ho masina ianareo,+ satria masina aho.+ Koa aza mandoto tena amin’ny biby mifanaretsaka, izay mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.

  • Deoteronomia 7:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Fa vahoaka masina ianareo amin’i Jehovah Andriamanitrareo.+ Ary ianareo no nofidin’i Jehovah Andriamanitrareo avy tamin’ny firenena rehetra etỳ ambonin’ny tany, mba ho vahoakany sy ho fananany manokana.+

  • Isaia 61:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary hantsoina hoe mpisoron’i Jehovah ianareo,+ sady hatao hoe mpanompon’Andriamanitsika.+ Hohaninareo ny fananan’ny firenena,+ ary ho faly ianareo hiresaka momba anareo noho ny harena be voninahitra azonareo avy aminy.+

  • 1 Petera 2:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ianareo kosa dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina,+ olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana,+ mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay”+ niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.+

  • Apokalypsy 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ary nataonao fanjakana+ sy mpisorona+ ho an’Andriamanitsika+ ireo, ka ho mpanjaka+ hitondra ny tany.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara