FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 7:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Nahita+ akanjom-boninahitra teo amin’ny zavatra azo babo aho, eny, akanjo tsara tarehy avy any Sinara,+ ary koa sekely* volafotsy roanjato sy vaingam-bolamena iray nilanja sekely dimampolo. Dia notsiriritiko izany+ ka nalaiko.+ Ary voafina ao anaty tany eo afovoan’ny tranolaiko izany, ka ao ambaniny ny vola.”+

  • Mika 2:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Mitsiriritra saha izy, ka maka izany an-keriny,+ ary mitsiriritra trano koa ka maka izany. Manambaka lehilahy tomady mbamin’ny ankohonany izy,+ eny, manambaka lehilahy ka maka ny lovany.+

  • Lioka 12:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ary hoy izy tamin’ny mpianany: “Aoka ianareo ho mailo, ary mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana,+ satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”+

  • Romanina 7:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Inona àry no holazaintsika? Ota ve ny Lalàna?+ Sanatria izany! Tsy ho nahafantatra ny ota+ anefa aho raha tsy noho ny Lalàna. Ohatra, tsy ho fantatro ny fitsiriritana,+ raha tsy ny Lalàna no nanao hoe: “Aza mitsiriritra.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara