7 “‘Fa raha tsy takatry ny volany ny ondry,+ dia domohina+ roa na zana-boromailala roa no hoentiny ho an’i Jehovah, ho fanatitra noho ny heloka, noho ny nanotany: Ny vorona iray ho fanatitra noho ny ota,+ ary ny iray ho fanatitra dorana.
19 “Ary hanolotra ny fanatitra noho ny ota+ ny mpisorona, ka handrakotra ny fahotan’ilay olona izay midio ho afaka amin’ny fahalotoany. Dia hovonoiny ny fanatitra dorana avy eo.
31 Ho fanatitra noho ny ota+ ny iray amin’ireo vorona takatry ny volany, ary ny iray ho fanatitra dorana+ ampiarahina amin’ny fanatitra varimbazaha. Ary ny mpisorona handrakotra,+ eo anatrehan’i Jehovah, ny fahotan’ilay olona midio.