Levitikosy 10:3 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 3 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Aoka hanamasina+ ahy ireo akaiky ahy,+ ary aoka homem-boninahitra+ eo anatrehan’ny rehetra aho.’” Koa tsy nahateny i Arona. Nomery 27:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Nikomy tsy nanaraka ny didiko mantsy ianareo tany an-tany efitr’i Zina, rehefa nila ady tamiko ny vahoaka.+ Ary tsy nanamasina+ ahy ianareo rehefa nanome rano teo imason’izy ireo. Izany no ranon’i Meriba+ tao Kadesy,+ tany an-tany efitr’i Zina.”+ Deoteronomia 32:51 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 51 Tsy nanao ny adidinareo tamiko teo anivon’ny zanak’Israely mantsy ianareo roa lahy,+ teo amin’ny ranon’i Meriba+ any Kadesy, tany an-tany efitr’i Zina. Tsy nanamasina ahy teo anivon’ny zanak’Israely+ koa ianareo. Isaia 8:13 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 13 I Jehovah Tompon’ny tafika irery no tokony ho masina+ aminareo. Izy no tokony hatahoranareo,+ ary Izy no tokony hahatonga anareo hihorohoro.”+ Apokalypsy 4:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 “Mendrika handray ny voninahitra+ sy ny haja+ ary ny hery+ ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao,+ ary noho ny sitraponao+ no nampisy sy namoronana+ azy ireny.”
3 Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona: “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Aoka hanamasina+ ahy ireo akaiky ahy,+ ary aoka homem-boninahitra+ eo anatrehan’ny rehetra aho.’” Koa tsy nahateny i Arona.
14 Nikomy tsy nanaraka ny didiko mantsy ianareo tany an-tany efitr’i Zina, rehefa nila ady tamiko ny vahoaka.+ Ary tsy nanamasina+ ahy ianareo rehefa nanome rano teo imason’izy ireo. Izany no ranon’i Meriba+ tao Kadesy,+ tany an-tany efitr’i Zina.”+
51 Tsy nanao ny adidinareo tamiko teo anivon’ny zanak’Israely mantsy ianareo roa lahy,+ teo amin’ny ranon’i Meriba+ any Kadesy, tany an-tany efitr’i Zina. Tsy nanamasina ahy teo anivon’ny zanak’Israely+ koa ianareo.
13 I Jehovah Tompon’ny tafika irery no tokony ho masina+ aminareo. Izy no tokony hatahoranareo,+ ary Izy no tokony hahatonga anareo hihorohoro.”+
11 “Mendrika handray ny voninahitra+ sy ny haja+ ary ny hery+ ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao,+ ary noho ny sitraponao+ no nampisy sy namoronana+ azy ireny.”