23 izany hoe, izay rehetra mahatanty afo,+ no ataovy ao anaty afo mba hadio. Hodiovina amin’ny rano fanadiovana+ izany avy eo. Fa izay rehetra tsy mahatanty afo kosa sasao amin’ny rano.+
2 Ary toy ny nataonao tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany ihany no ataovy amin’i Ay sy ny mpanjakany.+ Fa azonareo alaina ho anareo kosa ny fananany izay voababonareo sy ny biby fiompiny.+ Ary asio lehilahy miafina any ambadiky ny tanàna, mba hanafika azy.”+
27 Ny biby fiompy ihany mbamin’ny fananana voababo tao amin’ilay tanàna no nalain’ny Israely ho an’ny tenany, araka ny tenin’i Jehovah izay nandidiany an’i Josoa.+