FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 3:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny zanak’Israely sady nalaky nanadino an’i Jehovah Andriamaniny,+ ka lasa nanompo an’ireo Bala+ sy ireo tsato-kazo masina.+

  • Mpitsara 10:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely,+ ka nanompo an’ireo Bala,+ sy ireo sarin’i Astarta,+ sy ireo andriamanitr’i Syria,+ sy ireo andriamanitr’i Sidona,+ sy ireo andriamanitr’i Moaba,+ sy ireo andriamanitry ny taranak’i Amona,+ ary ireo andriamanitry ny Filistinina.+ Koa nahafoy an’i Jehovah izy ireo ary tsy nanompo azy.+

  • 1 Mpanjaka 18:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary hoy ny navalin’i Elia: “Tsy izaho no nahatonga loza+ tamin’ny Israely, fa ianao sy ny ankohonan-drainao,+ satria niala tamin’ny didin’i Jehovah ianareo,+ ka nanaraka an’ireo Bala.+

  • 2 Tantara 28:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Nanao hoatran’izay nataon’ireo mpanjakan’ny Israely kosa izy,+ ka nanao sarivongan’ireo Bala+ tamin’ny metaly.+

  • Jeremia 2:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Ahoana no ilazanao hoe: ‘Tsy nandoto ny tenako aho,+ ary tsy nanaraka an’ireo Bala’?+ Mba diniho ny anton-dianao tany an-dohasaha,+ ary eritrereto izay nataonao. Ramevavavy tanora haingam-pandeha ianao, ary mirenireny fotsiny eny amin’ny lalana.

  • Hosea 2:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary hataoko ampamoaka+ izy noho ireo andro nanolorany setroka ho sorona+ ho an’ny sarin’i Bala,+ dia ireo andro nanaovany kavina sy haingo+ ka nanarahany an’ireo lehilahiny.+ Izaho anefa hadinony’,+ hoy i Jehovah.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara