-
Mpitsara 19:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Raha mbola nampifalifaly ny fony teo izy ireo,+ dia tonga ny lehilahy tao an-tanàna, izay olona tena tsy manjary,+ ka nihodidina an’ilay trano.+ Dia nifanosika nandona ny varavarana izy ireo, sady tsy nitsahatra niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: “Avoahy atỳ ilay lehilahy niditra tao an-tranonao iny mba hanaovanay firaisana.”+
-
-
Mpitsara 19:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Tsy nety nihaino an’ilay lahiantitra anefa ireo lehilahy ireo. Koa nalain-dralehilahy ilay vadikeliny+ ka navoakany ho eo amin’izy ireo. Dia nanao firaisana taminy izy ireo,+ ka tsy nitsahatra nanao an-keriny+ an-dravehivavy nandritra ny alina mandra-maraina. Ary rehefa nanomboka nazava ratsy ny andro vao nalefan’ireo izy.
-