4 Dia handositra+ any amin’ny iray amin’ireny tanàna ireny ilay nahafaty olona, ka hitsangana eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady+ ary handahatra ny teniny eo anatrehan’ny anti-panahy+ ao. Ary horaisin’izy ireo ao an-tanàna izy, ka homeny toerana ao, dia hiara-monina amin’izy ireo.