Genesisy 47:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 Koa nasain’i Josefa nanorim-ponenana tao Ejipta ny rainy sy ny rahalahiny, ka nomeny tany tao amin’izay faritra tsara indrindra, dia tao Ramesesa,+ araka ny nandidian’i Farao. Eksodosy 20:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 “Hajao ny rainao sy ny reninao+ mba ho lava andro iainana ianao, eo amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+ Ohabolana 23:24 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 24 Ho faly tokoa ny rain’ny olo-marina,+ ary izay ray niteraka zaza hendry ho ravoravo aminy.+ Matio 19:19 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 19 Hajao ny rainao sy ny reninao.+ Ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”+
11 Koa nasain’i Josefa nanorim-ponenana tao Ejipta ny rainy sy ny rahalahiny, ka nomeny tany tao amin’izay faritra tsara indrindra, dia tao Ramesesa,+ araka ny nandidian’i Farao.
12 “Hajao ny rainao sy ny reninao+ mba ho lava andro iainana ianao, eo amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.+