-
1 Samoela 17:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ary hoy ny lehilahy israelita: “Hitanareo ve io lehilahy miakatra io? Hihantsy ady+ amin’ny Israely no iakarany. Koa izay lehilahy mahafaty an’io, hono, dia homen’ny mpanjaka harem-be, ary homeny ho vadiny ny zanany vavy.+ Ny ankohonan-drain’izany lehilahy izany koa, hono, hataony afaka amin’ireo adidy eto amin’ny Israely.”+
-
-
1 Samoela 18:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 dia niainga i Davida sy ny olony ka lasa namono+ roanjato lahy teo amin’ny Filistinina. Dia nentin’i Davida ny tsitsy+ nesorina tamin’ireo Filistinina ireo ka nomeny ny mpanjaka, araka ny isany feno, mba hahatonga azy ho vinantolahin’ny mpanjaka. Koa nomen’i Saoly ho vadin’i Davida i Mikala zanany vavy.+
-