-
Josoa 13:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 dia ny faritra nisy ny andriana dimy mpiray dinan’ny+ Filistinina izay nifehy ny tanànan’i Gaza+ sy Asdoda+ sy Askelona+ sy Gata+ ary Ekrona,+ sady nisy ny Avita+ koa. Noheverina fa an’ny Kananita+ kosa taloha ny faritra hatrany amin’ny sampan’i Neily tandrifin’i Ejipta, ka hatrany amin’ny sisin’i Ekrona any avaratra.+
-
-
1 Samoela 5:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Koa naniraka olona hamory ny andriana mpiray dina rehetran’ny Filistinina hankeo aminy izy ireo, ka niteny hoe: “Hataontsika ahoana ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely?” Farany, dia hoy ireo: “Aoka hafindra any Gata+ ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely.” Koa nentin’izy ireo nankany ilay Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely.
-