FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 6:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ary hoy i Gideona taminy: “Miala tsiny aminao aho, Jehovah ô! Ahoana no hamonjeko ny Israely?+ Ny fianakaviako* ange no tsinontsinona indrindra amin’ny fokon’i Manase e! Ary izaho no kely indrindra ao amin’ny ankohonan-draiko.”+

  • Ohabolana 3:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Ny mpaneso+ no hanaovany eson-teny,+ fa ny mpandefitra kosa hankasitrahany.+

  • Ohabolana 11:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Ho afa-baraka izay manambony tena,+ fa izay manetry tena kosa no hendry.+

  • Ohabolana 18:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ny fireharehan’ny fon’ny olona mialoha ny fahalavoany,+ ary ny fanetren-tena mialoha ny voninahitra.+

  • Ohabolana 22:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’i Jehovah dia harena sy voninahitra ary fiainana.+

  • Lioka 14:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Fa izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”+

  • Jakoba 4:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Lehibe kokoa anefa ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehon’Andriamanitra.+ Koa hoy ny Soratra Masina: “Andriamanitra manohitra ny olona manambony tena,+ fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.”+

  • 1 Petera 5:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary ianareo tanora koa, maneke+ ny zokiolona. Aoka ianareo rehetra samy hitafy fanetren-tena eo amin’ny fifandraisanareo,+ satria Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara