22 Ary mbola nitsoka ny anjombony+ foana izy telonjato lahy.+ Dia nataon’i Jehovah nifamely tamin’ny sabatra ny eran’ny toby.+ Koa nisy nandositra hatrany Beti-sita sy Zereraha ny tao an-toby, ka tonga hatrany amin’ny sisin’i Abela-mehola,+ any akaikin’i Tabata.
23 Koa niady tamin’ireo mponin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira+ ny taranak’i Amona sy ny taranak’i Moaba, ka nandringana azy tanteraka sy nandripaka azy. Ary raha vao ripany avokoa ny mponin’i Seira, dia izy samy izy indray no nifandringana.+