-
1 Samoela 18:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 dia niainga i Davida sy ny olony ka lasa namono+ roanjato lahy teo amin’ny Filistinina. Dia nentin’i Davida ny tsitsy+ nesorina tamin’ireo Filistinina ireo ka nomeny ny mpanjaka, araka ny isany feno, mba hahatonga azy ho vinantolahin’ny mpanjaka. Koa nomen’i Saoly ho vadin’i Davida i Mikala zanany vavy.+
-
-
2 Samoela 6:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary nody mba hitso-drano ny ankohonany i Davida.+ Koa nivoaka hitsena azy i Mikala+ zanakavavin’i Saoly, ka niteny hoe: “Nanao izay hahabe voninahitra ny tenany kosa ny mpanjakan’ny Israely androany!+ Fa nanary lamba teo imason’ny mpanompovavin’ny mpanompony izy androany, sahala amin’ireny lehilahy tsisy saina manary lamba ireny.”+
-