Genesisy 49:10 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda,+ ary ny tehim-pahefana tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo.+ Ary hankatò an’i Silo ireo firenena.+ 1 Samoela 13:14 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao.+ Hahita lehilahy sitraky ny fony i Jehovah,+ ary hotendren’i Jehovah ho mpitarika+ ny vahoakany izy, satria ianao tsy nitandrina an’izay nandidian’i Jehovah anao.”+ Salamo 78:70 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 70 Koa nifidy an’i Davida mpanompony izy,+Ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry.+ Salamo 89:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Nahita an’i Davida mpanompoko aho,+Ka nohosorako menaka masina izy.+ Asan’ny Apostoly 13:22 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 22 Ary rehefa nesoriny i Saoly,+ dia notendreny ho mpanjakan’izy ireo i Davida.+ Izao no nambarany momba an’io Davida io: ‘Nahita an’i Davida zanak’i Jese aho.+ Lehilahy sitraky ny foko+ izy, ary hanao izay iriko rehetra.’+
10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda,+ ary ny tehim-pahefana tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo.+ Ary hankatò an’i Silo ireo firenena.+
14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao.+ Hahita lehilahy sitraky ny fony i Jehovah,+ ary hotendren’i Jehovah ho mpitarika+ ny vahoakany izy, satria ianao tsy nitandrina an’izay nandidian’i Jehovah anao.”+
22 Ary rehefa nesoriny i Saoly,+ dia notendreny ho mpanjakan’izy ireo i Davida.+ Izao no nambarany momba an’io Davida io: ‘Nahita an’i Davida zanak’i Jese aho.+ Lehilahy sitraky ny foko+ izy, ary hanao izay iriko rehetra.’+