18 Dia niampita teo anatrehan’ny mpanjaka ny mpanompony rehetra. Niampita teo anatrehany koa ny Keretita rehetra sy ny Peletita+ rehetra ary ny Gatita+ rehetra, dia eninjato lahy izay efa nanaraka azy avy tany Gata.+
38 Dia nidina i Zadoka+ mpisorona sy Natana+ mpaminany sy Benaia+ zanak’i Joiada sy ny Keretita+ ary ny Peletita,+ ka nampitaingeniny an’i Solomona ilay ramolevavin’i Davida Mpanjaka,+ ary nentiny tany Gihona+ i Solomona.