30 “‘Izay mamely olona* ho faty dia hovonoina ho faty+ noho ny tenin’ny vavolombelona roa,+ fara fahakeliny, satria mpamono olona izy. Tsy afaka miampanga olona* mba hamonoana azy ho faty raha vavolombelona iray monja.
33 “‘Aza mandoto ny tany onenanareo. Mandoto ny tany mantsy ny ra.+ Ary tsy misy fandrakofam-pahotana ho an’ny tany raha misy ra nalatsaka teo aminy, afa-tsy ny ran’izay nandatsaka izany ihany.+