16 Ary i Davida nilaza tamin’ny mpiadidy teo amin’ny Levita mba hanendry ny toeran’ireo rahalahiny mpihira+ izay nitondra zavamaneno,+ dia lokanga+ sy harpa+ ary kipantsona.+ Ary nasaina nampanenoina mafy izany mba haredona tsara ny feon-kiram-pifaliana.
28 Ary nampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah ny Israelita rehetra, sady nanao horakora-pifaliana+ narahina feon’anjombona+ sy trompetra+ ary kipantsona.+ Nitendry lokanga sy harpa+ koa izy ireo ka nanakoako ny mozika.