10 Hovidiko ho vadiko koa i Rota Moabita vadin’i Malona mba hamelo-maso ny anaran’ny maty+ eo amin’ny lovany. Amin’izay dia tsy ho foana eo amin’ny rahalahiny sy eo amin’ny vavahadin’ny tanànany ny anaran’ny maty. Ianareo no vavolombelona+ androany.”