-
Mpitsara 10:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Ary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely,+ ka nanompo an’ireo Bala,+ sy ireo sarin’i Astarta,+ sy ireo andriamanitr’i Syria,+ sy ireo andriamanitr’i Sidona,+ sy ireo andriamanitr’i Moaba,+ sy ireo andriamanitry ny taranak’i Amona,+ ary ireo andriamanitry ny Filistinina.+ Koa nahafoy an’i Jehovah izy ireo ary tsy nanompo azy.+
-
-
1 Samoela 7:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Koa hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely manontolo: “Raha amin’ny fonareo manontolo no iverenanareo amin’i Jehovah,+ dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamani-kafa+ sy ireo sarin’i Astarta.+ Atodiho amin’i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary manompoa azy irery ihany,+ dia hanafaka anareo eo an-tanan’ny Filistinina izy.”+
-