48 Hanompo ny fahavalonao+ izay halefan’i Jehovah hiady aminao ianao, na dia noana+ sy mangetaheta aza, sady mitanjaka sy tsy manana na inona na inona. Ary hasiany zioga vy eo amin’ny vozonao, mandra-pandringany tanteraka anao.+
22 “Ary tsy maintsy hanontany ireo taranaka ho avy, dia ny zanakareo handimby anareo, mbamin’ny vahiny avy any an-tany lavitra, rehefa mahita ny loza sy ny aretina ataon’i Jehovah amin’io tany io,+
12 Farany, dia nivoaka ho any amin’ny mpanjakan’i Babylona i Joiakina mpanjakan’ny Joda,+ sy ny reniny+ sy ny mpanompony sy ny andrianany ary ny tandapany. Ary tamin’ny taona fahavalo+ nanjakan’ny mpanjakan’i Babylona, dia nalainy ho babo i Joiakina.
6 Dia nosamborin’ny Kaldeanina ny mpanjaka,+ ka nentiny niakatra tany amin’ny mpanjakan’i Babylona tao Ribla,+ mba hisy didim-pitsarana havoaka momba azy.
11 Farany, dia nentin’i Jehovah hanafika azy ireo+ ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asyria.+ Koa nosamborin’izy ireo tany an-tsefatsefaky ny harambato+ i Manase, ka nasiany gadra+ varahina roa ny tongony, ary nentiny tany Babylona izy.