FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Rehefa hotapahiko ny hazo fihantonan’ny mofo boribory fihinanareo,+ dia ho lafaoro iray monja no hanaovan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary hozarainy aminareo izany ka hoferana ny lanjany.+ Dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.+

  • Deoteronomia 28:53
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Koa ho latsaka an-katerena ianao sady ho tra-pahoriana, noho ny fangejan’ny fahavalonao anao, ka hohaninao ny aloaky ny kibonao, dia ny nofon’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy+ izay nomen’i Jehovah Andriamanitrao anao.

  • Deoteronomia 28:63
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 63 “Ary ho toy ny nifalian’i Jehovah nanasoa sy nahamaro anareo,+ no hifalian’i Jehovah handringana sy handripaka anareo+ koa. Hesorina tsy ho eo amin’ilay tany izay halehanareo mba halainareo ho fanananareo ianareo.+

  • Ezekiela 4:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Dia hoy ihany izy tamiko: “Ry zanak’olona, hotapahiko ny hazo fihantonan’ny mofo boribory*+ ao Jerosalema, ka hoferana ny lanjan’ny mofo hohanin’ny olona, ary hohaniny ao anatin’ny tebiteby izany.+ Rano afatra no hosotroiny, ary hosotroiny ao anatin’ny horohoro izany.+

  • Ezekiela 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “‘“Koa hisy ray hihinan-janaka, eo aminao.+ Ary hisy koa zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra didim-pitsarana aminao aho ary haeliko any amin’ny vazan-tany efatra* ny sisa rehetra eo aminao.”’+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara