FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 24:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Raha vao vitan’izy ireo izany, dia naterina tany amin’ny mpanjaka sy Joiada ny ambim-bola. Ary nanao an’ireto zavatra ireto koa izy ireo: Fitaovana ho an’ny tranon’i Jehovah sy ho an’ny fanompoana,+ fitaovana fanaovana fanatitra, kaopy,+ ary fitaovana vita tamin’ny volamena+ sy volafotsy. Ary nanao fanatitra dorana+ tao an-tranon’i Jehovah ny olona, nandritra ny androm-piainan’i Joiada.

  • 2 Tantara 36:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Ary nentiny daholo ny fitaovana+ tao an-tranon’Andriamanitra, na lehibe+ na kely, ary koa ny zava-tsarobidy+ notehirizina tao an-tranon’i Jehovah mbamin’ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka+ sy ny andrianany, eny, nentiny tany Babylona daholo izany.

  • Ezra 1:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Efajato sy dimy arivo ny isan’ireo fitaovana volamena sy volafotsy rehetra. Nentin’i Sesbazara+ niakatra tany Jerosalema daholo izany, niaraka tamin’ireo olona natao sesitany+ tany Babylona.

  • Daniela 5:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Rehefa mamomamon’ny divay+ i Belsazara, dia nasainy nalaina ireo kaopy volamena sy volafotsy,+ izay nalain’i Nebokadnezara rainy* avy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema. Nasainy nalaina izany mba hisotroan’ny mpanjaka sy ny olo-manan-kajany, mbamin’ny vadikeliny sy ny vadiny hafa.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara