FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 22:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra.+

      Madio toy ny metaly voadio ny tenin’i Jehovah.+

      Ampingan’izay rehetra mialoka aminy izy.+

  • 2 Tantara 32:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Mahereza sy matanjaha!+ Aza matahotra+ na mihorohoro+ noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria+ sy ny olona rehetra miaraka aminy,+ fa ny momba antsika dia betsaka noho ny momba azy.

  • Salamo 27:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Na dia misy tafika manangana toby hamelezana ahy aza,+

      Dia tsy mba hatahotra ny foko.+

      Na dia misy miady amiko aza,+

      Dia feno toky aho.+

  • Salamo 46:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika.+

      Tendrombohitra fandosirantsika ilay Andriamanitr’i Jakoba.+ Sela.

  • Salamo 55:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Hanavotra ahy amin’ireo miady amiko izy ka hahatonga ahy tsy hanana ahiahy,+

      Fa maro be no miady amiko.+

  • Romanina 8:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha momba antsika Andriamanitra, iza no hanohitra antsika?+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara