FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 3:39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Ary malemy aho androany na dia voahosotra+ ho mpanjaka aza. Fa amiko dia masiaka loatra+ ireo lehilahy zanak’i Zeroia+ ireo. I Jehovah anie hamaly ilay mpanao ratsy araka ny faharatsiany ihany!”+

  • 2 Samoela 8:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 I Joaba+ zanak’i Zeroia no lehiben’ny tafika; Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana;

  • 2 Samoela 20:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy mba nitandrina tamin’ilay sabatra teny an-tanan’i Joaba anefa i Amasa. Dia nasian’i Joaba+ tamin’iny ny kibony, ka niparitaka tamin’ny tany ny tsinainy, ary tsy voatery namely azy fanindroany intsony i Joaba. Koa maty i Amasa. Ary lasa nanenjika an’i Sheba zanak’i Bikry i Joaba sy Abisay rahalahiny.

  • 1 Tantara 11:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Koa hoy i Davida: “Izay mamely+ voalohany an’ireo Jebosita, dia ho lehiben’ny tafika sy ho andriana.” I Joaba+ zanak’i Zeroia no niakatra voalohany, ka izy no lasa lehiben’ny tafika.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara