FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 30:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary hoy i Labana taminy: “Raha mahazo sitraka aminao aho, dia mijanòna re e! Hitako tamin’ny fambara mantsy fa noho ianao no itahian’i Jehovah ahy.”+

  • Genesisy 39:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary hatramin’izay nanendren’ilay Ejipsianina azy hiandraikitra ny tao an-tranony sy ny fananany rehetra, dia notahin’i Jehovah foana ny tao an-tranony, noho ny amin’i Josefa. Eny, notahin’i Jehovah izay rehetra nananany tao an-trano sy tany an-tsaha.+

  • 1 Tantara 26:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Amiela no fahenina, Isakara no fahafito, ary Peoletahy no fahavalo. Fa notahin’Andriamanitra i Obeda-edoma.+

  • Ohabolana 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 dia ho feno mitafotafo ny fitehirizam-bokatrao,+ ary ny divay vaovao kosa hihoatra ny fanantazana azy.+

  • Ohabolana 10:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena+ ary tsy ampiany fahoriana izany.+

  • Malakia 3:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ento ao an-trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena+ rehetra, mba hisy sakafo ao an-tranoko.+ Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, “raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra,+ ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho, mihoatra noho izay ilainareo aza.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara