FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 6:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Aza manaraka andriamani-kafa, dia ny andriamanitr’ireo firenena manodidina anao,+

  • Deoteronomia 31:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Efa hodimandry any amin’ny razanao ianao.+ Ary azo antoka fa hitsangana ity vahoaka ity+ ka hanana fifandraisana mamoafady amin’ny andriamani-kafa eo anivony, any amin’ilay tany izay halehany.+ Ary hahafoy ahy tokoa izy ireo,+ ka hivadika amin’ny fifanekena nataoko taminy.+

  • 2 Tantara 15:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa nandeha nankany amin’i Asa izy, ary niteny taminy hoe: “Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra! Momba anareo foana i Jehovah, raha momba azy ianareo.+ Ary raha mitady+ azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy, fa raha mahafoy azy kosa, dia hafoiny koa.+

  • Salamo 73:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Fa ho ringana izay manalavitra anao,+

      Ary hataonao mangina izay mivadika aminao ka mahafoy* anao.+

  • Isaia 1:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Hiaraka ho montsamontsana ny mpikomy sy ny mpanota,+ ary ho fongotra ireo mahafoy an’i Jehovah.+

  • Jeremia 2:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tokony hanitsy anao ny ratsy nataonao,+ ary tokony ho anatra ho anao ny nivadihanao.+ Aoka àry ho fantatrao sy ho hitanao fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Tsy nahatonga anao hatahotra ahy+ anefa izany’, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara