13 Ary tsy nitsahatra nivavaka tamin’Andriamanitra izy. Dia nanaiky ny fiangaviany+ Andriamanitra, ka nihaino ny fitalahoany famindram-po, ary nampody azy tamin’ny fanjakany tany Jerosalema.+ Dia fantatr’i Manase fa i Jehovah no tena Andriamanitra.+
9 Raha miaiky ny fahotantsika anefa isika,+ dia tsy mivadika amin’ny teniny Andriamanitra sady marina, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.+