5Nantsoin’i Mosesy ny Israely rehetra,+ ka hoy izy taminy: “Ry Israely ô, henoy ny fitsipika sy ny didim-pitsarana+ ambarako aminareo anio, ka ianaro sy tandremo+ tsara.
6“Izao no didy sy fitsipika ary didim-pitsarana nasain’i Jehovah Andriamanitrareo nampianarina anareo+ mba harahinareo any amin’ilay tany izay halehanareo sy halainareo ho fanananareo.