FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpitsara 1:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary tsy vitan’ny fokon’i Manase+ ny naka an’i Beti-sana+ sy ny tanàna niankina taminy; Tanaka+ sy ny tanàna niankina taminy; ny mponina tao Dora+ sy ny tanàna niankina taminy; ny mponina tao Ibleama+ sy ny tanàna niankina taminy; ary ny mponina tao Megido+ sy ny tanàna niankina taminy. Fa ny Kananita kosa mbola nikiry nonina tao amin’izany tany izany ihany.+

  • Mpitsara 5:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Nisy mpanjaka tonga mba hiady,

      Ary tamin’izay no niady ireo mpanjakan’i Kanana+

      Tao Tanaka,+ teo amoron’ny ranon’i Megido.+

      Tsy nahazo volafotsy anefa izy ireo.+

  • 1 Mpanjaka 4:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Bana zanak’i Ahiloda no niandraikitra an’i Tanaka+ sy Megido+ ary Beti-sana+ manontolo, izay eo akaikin’i Zaretana,+ eo ambanin’i Jezirela,+ manomboka any Beti-sana ka hatrany Abela-mehola,+ ary hatrany amin’ny faritr’i Jokmeama;+

  • 2 Mpanjaka 9:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary nahita izany i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, ka nandositra nanaraka ny lalana teo akaikin’ny zaridaina lehibe iray.+ Taorian’izay, dia nenjehin’i Jeho izy, ary hoy i Jeho: “Iny koa! Asio koa iny!” Dia nasian’izy ireo tao anaty kalesiny izy, teny an-dalana hiakatra tany Gora, any akaikin’i Ibleama.+ Mbola nandositra hatrany Megido+ ihany anefa izy, ka maty tany.+

  • 2 Mpanjaka 23:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Koa nataon’ny mpanompony tao anaty kalesy ny fatiny, ka nentiny niala tao Megido ho any Jerosalema,+ dia naleviny tao amin’ny fasany. Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza+ zanak’i Josia, ka nohosorany ary nataony mpanjaka handimby an-drainy.

  • Zakaria 12:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hisy fitomaniana mafy ao Jerosalema amin’izany andro izany, toy ilay fitomaniana tao Hadadrimona, teo amin’ny lemak’i* Megido.+

  • Apokalypsy 16:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary nangonin’izany fanambarana izany ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona+ ireo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara