8Nivory toy ny olona iray+ ny vahoaka manontolo, teo amin’ilay tany malalaka+ tandrifin’ny Vavahadin-drano.+ Dia nasaina nalain’i Ezra,+ mpanao dika soratra, ny boky+ misy ny lalàn’i Mosesy+ izay nandidian’i Jehovah ny Israely.+
4 Ary nijoro teo amin’ilay lampihazo+ natao ho an’io fotoan-dehibe io i Ezra mpanao dika soratra. Niara-nijoro taminy, teo ankavanany, i Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia. Teo ankaviany kosa i Pedaia sy Misaela sy Malkia+ sy Hasoma+ sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama.