FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 17:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia nampianatra+ tao Joda izy ireo, sady nitondra ny boky misy ny lalàn’i+ Jehovah, ka nitety ny tanàna rehetran’ny Joda, ary nampianatra teo amin’ny vahoaka.

  • Nehemia 8:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Dia novakiny+ mafy teo anoloan’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano ilay boky misy ny lalàna, teo anatrehan’ireo lehilahy sy vehivavy ary ireo mahazo ny hevitr’izay reny. Novakiny izany, nanomboka vao maraina be+ ka hatramin’ny mitataovovonana. Koa nihaino tsara+ an’izay novakina ny rehetra.

  • Malakia 2:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ny molotry ny mpisorona mantsy no tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna no tokony hotadiavin’ny vahoaka avy amin’ny vavany,+ satria izy no mpitondra hafatr’i Jehovah Tompon’ny tafika.+

  • Matio 13:52
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 52 Ary hoy izy tamin’ireo: “Raha izany àry no izy, dia izao: Ny mpampianatra ampahibemaso rehetra izay nampianarina momba ny fanjakan’ny lanitra,+ dia tahaka ny tompon-trano izay mamoaka zavatra vaovao sy tranainy avy ao amin’ny trano fitehirizany.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara