-
Daniela 3:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ary naniraka olona i Nebokadnezara Mpanjaka mba hamory ny lehibem-paritany, sy ny mpiadidy,+ sy ny governora, sy ny mpanolo-tsaina, sy ny mpitahiry ny harenam-panjakana, sy ny mpitsara, sy ny mpampihatra lalàna,+ ary izay rehetra nitantan-draharaha tao amin’ireo faritany, ho tonga amin’ny fitokanana+ an’ilay sarivongana natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka.
-
-
Daniela 6:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Nikaon-doha daholo ny olom-panjakana ambony eto amin’ny fanjakana sy ny mpiadidy sy ny lehibem-paritany sy ny lehiben’ny tandapa ary ny governora, mba hamoahana lalàm-panjakana+ ka hampanan-kery an’izao fandrarana izao: Izay manao fangatahana ato anatin’ny telopolo andro, na amin’andriamanitra izany na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona.+
-