11 Tsara sy tamin’ny fotoanany avy no nanaovan’Andriamanitra ny zava-drehetra.+ Ary na ny fotoana tsy voafetra aza dia nataony tao am-pon’ny olombelona,+ mba tsy hahafantaran’izy ireo mihitsy ny asan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.+
33 Lalina tokoa ny harenan’Andriamanitra+ sy ny fahendreny+ ary ny fahalalany!+ Tsy takatry ny saina tokoa ny fitsarany+ ary tsy hay fantarina ny lalany!