FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 55:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,+ ary ny mpanisy ratsy olona hahafoy ny heviny.+ Aoka izy hiverina amin’i Jehovah, izay hamindra fo aminy.+ Ary aoka izy hiverina amin’Andriamanitsika, fa tena mamela heloka tanteraka izy.+

  • Ezekiela 33:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Lazao aminy hoe: ‘“Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, “dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy,+ fa ny hialany amin’ny lalan-dratsiny+ mba ho velona izy.+ Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo,+ fa nahoana ianareo no ho faty, ry taranak’Israely?”’+

  • Habakoka 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Nahoana no ataonao mahita zava-dratsy aho, ary jerenao fotsiny ny faharatsiana? Nahoana no misy fandrobana sy herisetra eo anoloako, ary nahoana no misy fifamaliana sy fifandirana?+

  • Habakoka 1:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Madio loatra ny masonao ka tsy tia mijery zava-dratsy, ary tsy mahajery faharatsiana ianao.+ Nahoana no jerenao fotsiny ny mpamitaka,+ ary nahoana no mangina ianao rehefa atelin’ny ratsy fanahy ny olona marina kokoa noho izy?+

  • Romanina 9:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Fa hoy ny Soratra Masina momba an’i Farao: “Noho izao indrindra no mbola namelako anao ho velona: Mba ho amin’ny alalanao no hampisehoako ny heriko, ary mba hambara eran-tany ny anarako.”+

  • Romanina 9:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ahoana raha toa Andriamanitra ka nandefitra sy be fahari-po tamin’ny fanaky ny fahatezerana izay mendrika haringana, na dia te hampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza izy?+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara