FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 32:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Tonga lafatra izay ataon’ilay Vatolampy,+

      Fa ara-drariny daholo ny lalany.+

      Andriamanitra mendri-pitokisana+ izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny.+

      Marina sy mahitsy izy.+

  • Salamo 11:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Manao ny rariny i Jehovah,+ ary tena tia ny rariny.+

      Ny olo-marina no hahita ny tavany.+

  • Salamo 139:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy.+

      Mahatalanjona ny asanao.+

      Ary tena fantatro tsara izany.+

  • Salamo 139:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho.+

      Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako

      Sy ny andro hiforonan’ireny,+

      Nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza.

  • Daniela 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “Efa tao an-tsainao foana ilay loza, Jehovah ô, ka nampiharinao taminay tamin’ny farany.+ Manao ny rariny mantsy ianao, ry Jehovah Andriamanitray, amin’izay rehetra ataonao, fa izahay no tsy nankatò ny teninao.+

  • Apokalypsy 15:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Dia nihira ny hiran’i Mosesy+ mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’ondry izy ireo,+ nanao hoe:

      “Lehibe sady mahagaga ny asanao,+ Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra.+ Mahitsy sy marina ny lalanao,+ ry Mpanjakan’ny mandrakizay.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara