FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 2:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Ambenany ny tongotry ny olona tsy mivadika aminy,+

      Fa ny ratsy fanahy kosa ampanginina ao anatin’ny haizina,+

      Satria tsy amin’ny herin’ny tenany no andresen’ny olona.+

  • Salamo 30:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah, ry olony tsy mivadika aminy ô!+

      Isaory ny anarany masina, izay tokony hotsarovana.+

  • Salamo 132:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Aoka hitafy fahamarinana+ ny mpisoronao,

      Ary aoka hihoby ireo tsy mivadika+ aminao.

  • Salamo 149:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Aoka hifaly amim-boninahitra ireo olona tsy mivadika.

      Aoka izy ireo hihoby eo am-pandrianany.+

  • Hebreo 13:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Aoka foana isika hanao sorona fiderana+ ho an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy, dia ny vokatry ny molotra+ izay manao fanambarana ampahibemaso momba ny anarany.+

  • 1 Petera 2:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 dia aorina ho trano ara-panahy+ ianareo, izay vato velona koa, mba ho mpisorona masina, ka hanolotra sorona ara-panahy+ ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara