FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 19:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “‘Aza manao ny tsy rariny rehefa mitsara. Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy,+ nefa aza iangarana koa ny manankarena.+ Tokony ho ara-drariny no hitsaranao ny namanao.

  • Deoteronomia 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Aza mizaha tavan’olona rehefa mitsara,+ fa henoy sahala amin’ny lehibe ny madinika.+ Aza matahotra olona,+ fa an’Andriamanitra ny fitsarana.+ Ary ento atỳ amiko ny raharaha sarotra loatra aminareo, fa izaho no hihaino izany.’+

  • Deoteronomia 16:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Aza manao fitsarana miangatra,+ ary aza mizaha tavan’olona.+ Aza mandray kolikoly, fa manajamba ny mason’ny hendry+ sady mamadika ny tenin’olo-marina ny kolikoly.

  • 2 Tantara 19:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Koa aoka hatahotra+ an’i Jehovah ianareo.+ Mitandrema tsara amin’izay ataonareo,+ fa tsy misy tsy fahamarinana ao amin’i Jehovah Andriamanitsika,+ ary tsy mba miangatra+ na mandray kolikoly+ izy.”

  • 1 Timoty 5:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Mandidy mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy+ ary ny anjely voafidy aho, mba hitandrina izany zavatra izany tsy misy fitsarana an-tendrony, ka tsy hiangatra ianao amin’izay rehetra ataonao.+

  • Jakoba 2:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Raha izany, tsy misy fanavakavahana ve eo aminareo,+ ka lasa mpitsara+ miangatra+ ianareo?

  • 1 Petera 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Mpitsara tsy miangatra+ ny Ray ary mitsara ny tsirairay araka ny asany avy. Koa raha izy no antsoinareo, dia aoka ianareo hitondra tena amin-tahotra+ mandritra ny andro fivahinianareo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara