15 Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, manao ny rariny ianao,+ satria mbola nisy niangana izahay ka nafahanao, toy izao anio izao. Koa indreto izahay meloka eto anatrehanao,+ na dia fantatray aza fa tsy tokony hijoro eto anatrehanao izahay noho izany helokay izany.”+
2 satria marina sy mahitsy ny fitsarany.+ Fa izy nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ilay mpivaro-tena lehibe, izay nanimba ny tany tamin’ny fijangajangany. Namaly ny ran’ny mpanompony nalatsaky ny tanan-dravehivavy koa izy.”+