2 Hanarona ny tany ny haizina,+ ary hanarona an’ireo firenena ny haizim-pito. Fa hamirapiratra aminao kosa i Jehovah, ary eo aminao no hisehoan’ny voninahiny.+
30 Tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana toy izany tokoa Andriamanitra,+ fa ankehitriny kosa izy milaza fa tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza,+
4 Eo amin’izy ireny ny andriamanitr’ity tontolo ity+ no manajamba ny sain’ny tsy mino,+ mba tsy hamirapiratra+ amin’izy ireo ny fahazavan’ny+ vaovao tsara be voninahitra,+ dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.+
8 Tao amin’ny haizina+ mantsy ianareo teo aloha, fa ao amin’ny hazavana+ kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa aoka ny fomba fiainanareo hampiseho fa zanaky ny mazava ianareo,